Dein Start in Deutschland

Ireto tokony ataonao ao anatin’ny 10-15 andro voalohany rehefa tonga eto Alemana ianao

Wohnsitz Anmeldung

Mitovitovy amin’ny hoe misoratra anarana eo amin’ny fokotany misy anao. Ohatra raha Bremen ianao ny mipetraka,

  • Mitady sur internet ianao Wohnsitz Anmelden Bremen ary safidio ny pejy ofisialin’ny tanana misy anao.
  • Matetika mila maka Rendezvous na Online Termin.
  • Ny zavatra ilaina rehefa ho any dia ny passport sy ny Contrat ny trano hipetrahanao, na fanamarinana fa hipetraka ao ianao.

Aufenthaltstitel

Rehefa mahazo visa avy any Madagasikara dia 3 volana no azonao. Iny no atao hoe Einreisevisum, mila avadika ho Aufentshaltstitel izy iny. Mandefa email any amim’ny Ausländerbehörde ny toerana misy anao, mampilaza ny faran’ny Visa anao ary mangataka Rendezvous ny amin’ny fanalavana azy. Rehefa vita izay dia mamaly anao ny Ausländerbehörde are milaza aminao ny tokony ataonao manaraka. Indro misy ohatra email afaka alefanao.

Sehr geehrte Damen/Herren, 

Ich bitte um einen Termin für die Verlängerung meines Einreisevisum. Ich bin am ... eingereist.
Anbei sind die Kopien von meinem Passport und meinem Einreisevisum.

Mit freundlichen Grüßen,
Name

Krankenversicherungskarte

Mandefa email any amin’ilay orin’asa fa efa tonga ka mila ilay Karte. Alohan’ny nahatongavanao teto dia efa manana contrat miaraka amin’ny Krankenversicherung ianao. Rehefa tonga dia mila alaina ny chip karte ahafahanao mande dokotera raha sanatria marary. Indro misy ohatra email afaka alefanao ihany koa.

Sehr geehrte Damen/Herren, 

Ich bin seit ... in Deutschland angekommen und brauche nun meine Karte für die Krankenversicherung.
Anbei ist meine Krankenversicherungsnachweis

Mit freundlichen Grüßen,
Name

Ireo 3 ireo aloha no tena maika rehefa tonga ianao. Ho avy manaraka eto ny fanazavana ny dingana hafa tokony ataonao. Tonga Soa ianao ary mirary anao ahatratra ny tanjonao raha nisafidy ny hipetraka eto Alemana ianao.

Manasa anao hiditra ho mpikambabana MKSD, mandray anao ampifaliana izahay.

Indro misy mpikambana nizara taminay mikasika ny 10-15 androny voalohany teto Alemana.

Sei Dabei, MKSD Team !!!